Ny fahasoavan'Andriamanitra mahagaga Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah. Genesisy 6:8 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. Apokalypsy 22:21
Boky Dimy Voalohany Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah. Genesisy 6:8 Indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho; Genesisy 19:19 Ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy sy andevovavy aho; ary efa naniraka hanambara aminao tompokolahy aho mba hahitako fitia eo imasonao. Genesisy 32:5 Dia nanopy ny masony izy ka nahita ny vehivavy sy ny ankizy madinika, dia nanao hoe: Iza avy ireo miaraka aminao ireo? Ary hoy Jakoba: Ireo zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. Ary hoy izy: Inona no hevitrao amin'ireny andiany rehetra ireny izay nifanena tamiko? Ary hoy izy: Mba hahazoako fitia eo imason'itompokolahy. Ary hoy Jakoba: Masìna ianao, aza an-kanavaka, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra fanomezako; fa efa nahita ny tavanao aho toy ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho. Koa raiso re ny fanasoavako izay efa natolotra ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, sady manam-be aho. Dia nanery azy mafy izy; ka dia noraisiny ihany. Ary hoy Esao: Masìna ianao, avelao aho hamela ny sasany amin'ny olona izay miaraka amiko hiaraka aminao. Ary hoy izy: Inona no ilainao? Aoka hahita fitia eo imason'ny tompoko aho. Genesisy 33:5 , 8 , 10-11, 15 Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka hahita fitia eo imasonareo aho, ary izay holazainareo amiko dia homeko; Genesisy 34:11 Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. Genesisy 39:4 Dia nanopy ny masony izy ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo lahy, izay nolazainareo tamiko? Ary hoy izy: Andriamanitra anie hamindra fo aminao, anaka. Genesisy 43:29 Ary hoy izy ireo: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao. Ary rehefa nanakaiky ny andro hahafatesan'Isiraely, dia niantso an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao,