Ny Famindram-pon'Andriamanitra sy ny Olombelona Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindram-po. Salamo 103:8 Koa aoka ho mpamindra fo ianareo tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. Lioka 6:36
Boky Dimy Voalohany Ary raha mbola nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany vavy roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy teny ivelan'ny tanàna. Genesisy 19:16 Indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho; Genesisy 19:19 Ary hoy izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa raha izaho teny an-dalana dia notantanan'i Jehovah aho ho any an-tranon'ny havan'ny tompoko. Genesisy 24:27 Tsy mendrika na dia kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao; fa ny tehiko ihany no nentiko nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga antoko roa aho. Genesisy 32:10 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa ka namindra fo taminy sady nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny tranomaizina. Genesisy 39:21 Ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba handefasany ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Raha very anaka aho, dia ho very anaka koa. Genesisy 43:14 Entinao amin'ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao; ento amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao masina izy. Eksodosy 15:13 Ary mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. Eksodosy 20:6 Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana. Ary manaova kerobima iray amin'ny sakany iray, ary ny kerobima iray kosa amin'ny sakany iray hafa: indray mivofy amin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanao ny kerobima roa, dia amin'ny sakany roa. Ary ny elatry ny kerobima hivelatra ambony, ka hanarona ny rakotra fanaovam-panavotana amin'ny elany; ary ny tavany hifanatrika; ny tavan'ny kerobima kosa hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana. Ary apetraho eo ambonin'ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. Ary ao no hihaonako aminao, ka avy