JOSOA TOKO 1 1 Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia niteny tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy, Jehovah ka nanao hoe: 2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny, mità ity Jordana ity ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely. 3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay efa nolazaiko tamin'i Mosesy. 4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ka hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tanin'ny Hetita rehetra ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any amin'ny filentehan'ny masoandro, no ho taninareo. 5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. 6 Mahereza sy matanjaha; fa ity firenena ity no hizaranao ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy ho lovany. 7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; 8 Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity; fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; 9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao. 10 Ary Josoa nandidy ny mpifehy ny olona ka nanao hoe: 11 Mandehana mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara hanina ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana. 12 Ary tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe: 13 Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo fitsaharana ka nanome anareo ity tany ity. 14 Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra ao amin’ny tany izay nomen’i Mosesy anareo etỳ an-dafin’i Jordana; fa ianareo kosa, dia ny lehilahy mahery rehetra, samy efa voaomana hiady, ka handeha hanampy azy; 15 Mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nomeny anareo, ka handovany koa ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; 16 Dia namaly an'i Josoa ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay, ary izay rehetra hanirahanao anay dia halehanay. 17 Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa: homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy. 18 Na iza na iza mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha.
TOKO 2 1 Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka hisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka nanao hoe: Mandehana izahao ny tany, dia Jeriko. Dia nandeha izy roa lahy ka niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga atao hoe Rahaba, dia nandry tao. 2 Ary nambara tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Indro, nisy lehilahy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany. 3 Ary ny mpanjakan'i Jeriko naniraka tany amin'i Rahaba nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato aminao ireo, dia izay niditra ato an-tranonao; 4 Ary nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: Nisy lehilahy tonga tany amiko, nefa tsy fantatro izay nihaviany; Ary rehefa maizina ny andro, dia nivoaka izy roa lahy, ka tsy fantatro izay nalehany; fa enjeho faingana izy; fa ho tratranareo ireny. 6 Fa efa nampiakarin-dravehivavy ho eo an-tampon-trano izy ka nafeniny tao amin’ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo ambonin’ny tafon-trano. 7 Ary ny lehilahy nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary nony nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady. 8 Ary raha tsy mbola nandry izy, dia niakatra teo antampon-trano izy; 9 Ary hoy izy tamin'ireo lehilahy ireo: Fantatro fa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa nahazo anay ny fahatahorana anareo, ary ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny aminareo. 10 Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny ranon'ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, fony ianareo nivoaka avy tany Egypta; ary izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay naringanareo. 11 Ary raha vao nandre izany izahay, dia ketraka ny fonay, ka tsy nisy sahy nitoetra tao amin’olona intsony noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. 12 Koa ankehitriny, masìna ianareo, mianiana amiko amin'i Jehovah, fa efa nanao soa taminareo aho, dia mba hamindra fo amin'ny mpianakavin'ny raiko koa ianareo ka hanome ahy famantarana marina; 13 Ary mba hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny rahalahiko sy ny anabaviko ary izay rehetra ananany, ka hanafaka ny ainay tsy ho faty. 14 Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao. Ary rehefa omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy marina aminao izahay. 15 Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka teo amin'ny varavarankely izy; 16 Ary hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao mifanena aminareo ny mpanenjika; ary miere any hateloana ianareo mandra-piverin'ny mpanenjika; ary rehefa afaka izany, dia mahazo mandeha ianareo. 17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Tsy hanan-tsiny izahay amin'izao fianiananao nampianiananao anay izao. 18 Indro, rehefa tonga amin’ny tany izahay, dia afehezo eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy