2 Mpanjaka TOKO 1 1 Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely taorian'ny nahafatesan'i Ahaba. 2 Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara tao amin'ny efi-tranony ambony izay tany Samaria ka narary; 3 Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia Tisbita: Mitsangàna, miakara hitsena ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka lazao aminy hoe: Moa tsy misy Andriamanitra amin'ny Isiraely va no handehananareo hanontany amin'i Balazeboba, andriamanitr'i Ekrona? 4 Koa izao no lazain'i Jehovah: Tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Dia lasa Elia. 5 Ary rehefa niverina tany aminy ny iraka, dia hoy izy taminy: Nahoana no niverina ianareo ankehitriny? 6 Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana, miverena any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy misy Andriamanitra amin'ny Isiraely va no anirahanao hanontany amin'i Balazeboba, andriamanitr'i Ekrona? koa tsy hidina hiala amin'ny farafara niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. 7 Ary izy nilaza tamy ny hoe, Lehilahy manao ahoana ilay niakatra nitsena anareo ka nilaza izany teny izany taminareo? 8 Ary ireo namaly azy hoe, Lehilahy voloina izy, ary nisikina fehin-kibo hoditra ny valahany. Ary hoy izy: Elia Tisbita io. 9 Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo sy ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra nankany aminy izy; ary, indro, nipetraka teo an-tampon'ny havoana izy. Ary hoy izy taminy: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, hoy ny mpanjaka: Midìna. 10 Ary Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimampolo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary nisy afo nidina avy tany andanitra ka nandevona azy sy ny dimam-polo fehiny. 11 Ary izy naniraka mpifehy dimam-polo hafa koa mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia namaly izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, izao no lazain'ny mpanjaka: Midìna faingana. 12 Ary Elia namaly ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary nisy afon'Andriamanitra nidina avy tany andanitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny. 13 Ary naniraka mpifehy dimam-polo fahatelo sy ny dimam-polo fehiny indray izy. Ary niakatra koa ny mpifehy dimam-polo fahatelo, dia tonga ka niankohoka teo anatrehan’i Elia, ary nifona taminy hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto dimam-polo ireto mpanomponao ireto. 14 Indro, nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandoro ny mpifehy dimam-polo teo aloha mbamin'ny dimam-
polony avy; koa aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko ankehitriny. 15 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midìna ihany hiaraka aminy; fa aza matahotra azy. Dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka. 16 Ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria efa naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, va ianao, moa tsy noho ny tsy fisian'Andriamanitra amin'ny Isiraely va no hanontanianao ny teniny? koa tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. 17 Dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary Jehorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; fa tsy nanan-janakalahy izy. 18 Ary ny tantaran'i Ahazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany? TOKO 2 1 Ary nony efa hampakarin'i Jehovah ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia nandeha avy tany Gilgala Elia sy Elisa. 2 Ary hoy Elia tamin'i Elisa: Masìna ianao, mitoera eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Betela. Ary hoy Elisa taminy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy handao anao mihitsy aho. Dia nidina nankany Betela izy ireo. 3 Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hanalan'i Jehovah ny tomponao hiala amin'ny lohanao? Ary hoy izy: Eny, fantatro izany; mangina ianareo. 4 Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Ary hoy izy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy handao anao mihitsy aho. Dia tonga tany Jeriko izy. 5 Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nankany amin'i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hanalan'i Jehovah ny tomponao hiala amin'ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro izany; mangina ianareo. 6 Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mitoera eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Ary hoy izy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy handao anao mihitsy aho. Dia nandeha izy roa lahy. 7 Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha ka nijanona nitazana teny lavitra eny; ary nijanona teo amoron'i Jordana izy roa lahy. 8 Ary nalain'i Elia ny kapôtiny ka nofonosiny, dia nikapoka ny rano izy, ka nisaraka roa ireo, ka nita tamin'ny tany maina izy roa lahy. 9 Ary nony tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ho amiko ny anjaran-droa amin'ny fanahinao. 10 Ary hoy izy: Sarotra no nangatahinao; fa raha tsy izany, dia tsy ho izany. 11 Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo niseho, ka nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafiodrivotra ho any an-danitra.