Skip to main content

Malagasy - The Book of 1st Kings

Page 1

1 Mpanjaka TOKO 1 1 Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, nefa tsy nafana. 2 Dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko; 3 Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka. 4 Ary tsara tarehy indrindra razazavavy, dia nitaiza ny mpanjaka sy nanompo azy izy; fa ny mpanjaka tsy nahalala azy. 5 Ary Adonia, zanak'i Hagita, nanandra-tena ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingintsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy. 6 Ary ny rainy tsy mbola nanome alahelo azy hatrizay hatrizay ka nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izany? ary izy koa dia lehilahy tsara tarehy indrindra; ary ny reniny no niteraka azy taorian'i Absaloma. 7 Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy, dia nanaraka an'i Adonia ka nanampy azy. 8 Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niaraka tamin'i Adonia. 9 Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta, izay eo anilan'i Enrogela, dia niantso ny zanakalahin'ny mpanjaka rahalahiny rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka; 10 Fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny kosa tsy mba nasainy. 11 Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, ka nanao hoe: Tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika izany? 12 Koa ankehitriny, masìna ianao, aoka aho hanome saina anao mba hamonjena ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao. 13 Mandehana mankao amin’i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy efa nianiana tamin’ny mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako? nahoana Adonia no nanjaka? 14 Indro, raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia izaho koa mba hiditra ao aorianao ka hanamarina ny teninao. 15 Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao an-efitrano; ary Abisaga Sonemita nanompo ny mpanjaka. 16 Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no tadiavinao? 17 Ary hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamin'ny mpanompovavinao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako. 18 Ary ankehitriny, indro, Adonia no manjaka; ary ankehitriny, ry mpanjaka tompoko, tsy fantatrao izany;

19 Ary efa namono omby sy omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa niantso ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao tsy mba nasainy. 20 Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason'ny Isiraely rehetra mitsinjo anao, mba hilazanao aminy izay hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka tompoko handimby azy. 21 Fa raha tsy izany, rehefa hodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no hatao meloka. 22 Ary, indro, raha mbola niresaka tamin’ny mpanjaka izy, dia niditra koa Natana mpaminany. 23 Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Ary nony niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka. 24 Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, efa nilaza va ianao hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? 25 Fa nidina izy androany ka namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka, dia efa niantso ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila ary Abiatara mpisorona; ary, indreo, mihinana sy misotro eo anatrehany ireo ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka! 26 Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao, dia tsy mba nasainy. 27 Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no nanao izany, ka tsy nambaranao tamin'ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka tompoko handimby anao? 28 Dia namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia nankao anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka. 29 Dia nianiana ny mpanjaka ka nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanavotra ny fanahiko tamin’ny fahoriana rehetra, 30 dia araka ny nianianako taminao tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy; dia izany no hataoko anio. 31 Dia niankohoka tamin'ny tany Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anie Davida mpanjaka tompoko. 32 Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia tonga teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. 33 Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingina ny ampondravaviko Solomona zanako, ka ento midina ho any Gihona; 34 Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; 35 Dia miakara manaraka azy ianareo, mba ho avy ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, ary izy no notendreko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Malagasy - The Book of 1st Kings by Filipino Tracts and Literature Society Inc. - Issuu