Ny Antikristy Nojeriko ny tandroka, ary, indro, nisy tandroka kely iray koa nipoitra teo aminy, ary nongotana teo anoloany ny tandroka telo tamin'ireo voalohany; ary, indro, tao amin'io tandroka io dia nisy maso toy ny mason'olona sy vava niteny zavatra mihoa-pampana. Daniela 7:8 Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny iray tamin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra. Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be any an-danitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ny sasany tamin'ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny; eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ny maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary noravana ny fitoerana masina. Ary nisy maro be natolotra azy mbamin'ny fanatitra isan'andro noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina. Daniela 8:9-12 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'ny Mesia Andriana dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro; haorina indray ny lalana sy ny manda, na dia amin'ny andro mahory aza. Ary rehefa afaka roa amby enimpolo herinandro dia hovonoina ny Mesia, nefa tsy ho an'ny tenany; ary ny olon'ny andriana izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady ho fandravana voatendry. Ary hanorina fanekena amin'ny maro mandritra ny herinandro iray izy; ary amin'ny antsasaky ny herinandro dia hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa izy, ary amin'ny fanevan'ny fahavetavetana no hahatonga azy ho lao, mandra-pahatongan'ny fahafonganana voatendry izay haidina amin'ny mpandrava. Daniela 9:25-27 Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hanandra-tena sy hanandra-tena ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no ho tanteraka. Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fanirian'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra; fa hanandra-tena ambonin'izy rehetra izy. Daniela 11:36-37 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Matio 24:24 Ary amin'izay raha misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ Izy, aza mino Azy ianareo. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahana na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. Marka 13:21-22 Koa mihanta aminareo izahay, ry rahalahy, noho ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fanangonana antsika ho eo aminy, mba tsy ho voahozongozona haingana ny sainareo na ho taitra ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, fa efa akaiky ny andron'i Kristy. Aza mety hofitahin'olona amin'ny fomba rehetra ianareo; fa tsy ho avy izany andro izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ary hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, izay manohitra ka manandra-tena ho ambonin'izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana; ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka mampiseho ny tenany ho Andriamanitra. Tsy tsaroanao va fa fony mbola teo aminareo aho, dia efa nilaza izany taminareo? Ary ankehitriny fantatrareo izay misakana mba hampisehoana azy amin'ny fotoany. Fa ny zavamiafina ny amin'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia miasa sahady; fa izay misakana ankehitriny dia mbola misakana ihany mandra-panaisotra azy. Ary dia haseho ilay ratsy fanahy, izay holevonin'ny Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany, dia ilay fihaviany araka ny fiasan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana ary ny fahagagana mandainga rehetra, ary ny
famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, mba hohelohina izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsi-fahamarinana. 2 Tesaloniana 2:1-12 Anaka, izao no ora farany, ary araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, dia maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Avy tamintsika ihany no nialany, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy mba namantsika avokoa izy rehetra. Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin'ny Masina, ka fantatrareo ny zavatra rehetra. Tsy nanoratra taminareo aho noho ny tsy ahafantaranareo ny marina, fa noho ny ahafantaranareo izany, ary tsy misy lainga avy amin'ny marina. Iza no mpandainga afa-tsy izay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka? 1 Jaona 2:18-22 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa andramo ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra izy ireo, na tsia; fa maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy dia avy amin'Andriamanitra; Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky fa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy dia tsy avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra sady efa naharesy azy ireo, satria lehibe izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. Avy amin'izao tontolo izao izy ireo, koa dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary izao tontolo izao dia mihaino azy. Avy amin'Andriamanitra isika; izay mahalala an'Andriamanitra dia mihaino anay; izay tsy avy amin'Andriamanitra dia tsy mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny famitahana. 1 Jaona 4:1-6 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia izay tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. 2 Jaona 1:7 Apokalypsy 13:1-18 1 Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina aho, ary nahita bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-doha fito sy tandroka folo, ary tamin'ny tandrony dia nisy satro-boninahitra folo, ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. 2 Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ny dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. 3 Ary hitako ny lohany iray izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny nahafaty; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia. 4 Ary nivavaka tamin'ilay dragona izy, satria izy no nanome fahefana ho an'ny bibi-dia; ary nivavaka tamin'ny bibi-dia koa izy ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? Iza no mahay miady aminy? 5 Dia nomena vava miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana hiasa roa amby efa-polo volana. 6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia izay monina any an-danitra. 7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka handresy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy. 8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra anarana eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. 9 Raha misy olona manan-tsofina, aoka izy hihaino.
2
10 Izay mitondra ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana kosa; ary izay mamono amin'ny sabatra dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina. 11 Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona. 12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ny bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo aminy dia asainy miankohoka eo anoloan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy. 13 Ary manao fahagagana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza. 14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany. 15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary mba hahafaty izay rehetra tsy mety mivavaka amin'ny sarin'ny bibi-dia. 16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa; 17 Ary mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany. 18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary ny isany dia enina amby enimpolo sy enina amby enimpolo. Apokalypsy 17:1-18 1 Ary tonga ny anjely iray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro, 2 Izay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, ary natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina amin'ny tany. 3 Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an-efitra aho; ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolonjaky feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo. 4 Ary ravehivavy dia nitafy volomparasy sy jaky sady niravaka volamena sy vato soa ary perla sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany feno zava-betaveta sy ny fahalotoan'ny fijangajangany; 5 Ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA AMIN'NY TANY. 6 Ary hitako fa leon'ny ran'ny olona masina sy ny ran'ny maritioran'i Jesosy ravehivavy; ary raha nahita azy aho, dia gaga indrindra. 7 Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia izay mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo. 8 Ny bibi-dia izay efa hitanao dia teo ihany, ary tsy eo intsony; nefa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fahaverezana; ary izay monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mahita ny bibi-dia, izay teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola eo ihany. 9 Ary indro ny saina izay manana fahendrena. Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan'ilay vehivavy. 10 Ary misy mpanjaka fito; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely. 11 Ary ny bibi-dia izay teo ihany, ary tsy eo intsony, dia izy no fahavalo ary avy amin'ny fito, ary mankany amin'ny fahaverezana izy.
3
12 Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka mandritra ny adiny iray miaraka amin'ny bibi-dia. 13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia. 14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy; fa Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy; ary izay momba Azy dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky. 15 Ary hoy izy tamiko: Ny rano izay hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny. 16 Ary ny tandroka folo izay efa hitanao tamin'ny bibi-dia, dia ireo no hankahala ny vehivavy janga ka hahatonga azy ho lao sy hitanjaka ary hihinana ny nofony sy handoro azy amin'ny afo. 17 Fa Andriamanitra efa nanome fo azy ireo hanatanteraka ny sitrapony sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ny bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra. 18 Ary ravehivavy izay hitanao dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany. Dia nitantana an'i Adama tamin'ny tanany ny Tompo, ka nanolotra azy ho an'i Mikaela arkanjely; ary nitondra azy ho any amin'ny Paradisa Izy, feno famindram-po sy voninahitra; Ary nisy lehilahy roa tena antitra nihaona tamin'izy ireo, ary nanontanian'ny olo-masina hoe: Iza moa ianareo, izay mbola tsy niaraka tamintsika tany amin'ny helo, ary efa napetraka tao amin'ny Paradisa ny vatanareo? Ny iray tamin'izy ireo namaly hoe: Izaho no Enoka, izay nafindra tamin'ny tenin'Andriamanitra: ary ity lehilahy ity izay miaraka amiko, dia i Elia Tisbita, izay nafindra tamin'ny kalesy afo. Eto izahay hatramin'izao, ary tsy mbola nanandrana fahafatesana, fa ankehitriny dia hiverina amin'ny fiavian'ny Antikristy, miaraka amin'ny famantarana sy fahagagana avy amin'Andriamanitra, mba hiady aminy amin'ny ady, ary hovonoiny any Jerosalema, ary hasandratra velona indray any amin'ny rahona, rehefa afaka telo andro sy tapany. Filazantsaran'i Nikodemosy 20:1-4 Fa izay rehetra tsy manaiky fa efa tonga nofo Jesosy Kristy dia antikristy; ary izay rehetra tsy manaiky ny fijaliany teo amin'ny hazo fijaliana dia avy amin'ny devoly. Ary izay rehetra mamadika ny tenin'ny Tompo araka ny filany; ka milaza fa tsy hisy fitsanganan'ny maty na fitsarana, dia izy no lahimatoan'i Satana. Koa avelao ny fiheveran'ny maro ny tenany sy ny fampianaran-disony; andeha isika hiverina amin'ny teny izay natolotra antsika hatramin'ny voalohany; miambena amin'ny fivavahana; ary mahareta amin'ny fifadian-kanina. Epistilin'i Polycarpe ho an'ny Filipiana 3:1-3
4