Ny Fanoharana momba ny Mpamafy Matio 13:1-23 1 Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina. 2 Ary nisy vahoaka betsaka niangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa nijanona teo amoron-dranomasina. 3 Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy; 4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia latsaka teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy. 5 Ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo sy be vato, dia nitsimoka avy hatrany izy ireo, satria tsy lalina ny tany. 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia may ireo; ary satria tsy nanam-paka izy, dia maina. 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy. 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany zato heny, ary ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany telo-polo heny. 9 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 10 Ary nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? 11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. 12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. 13 Koa izany no itenenako aminy amin'ny fanoharana; satria mijery izy ireo fa tsy mahita; ary mandre izy ireo fa tsy mihaino, ary tsy mahalala. 14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'i Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, nefa tsy hahafantatra; Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, nefa tsy hahita; 15 Fa efa adala ny fon'ity firenena ity, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony izy, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho.
1
16 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita; ary ny sofinareo, fa mandre. 17 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy nandre. 18 Koa henoy àry ny fanoharana ny amin'ny mpamafy. 19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka maka izay nafafy tao am-pony. Izany no ilay nafafy teny amoron-dalana. 20 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka mandray izany avy hatrany amin'ny hafaliana; 21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa tonga ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny; ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena dia mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. 23 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka mamokatra: ny sasany zato heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany telo-polo heny.
Marka 4:1-20 1 Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka niangona teo aminy, dia niditra tao an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny an-tanety amoron-dranomasina. 2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nanao tamin'ny fampianarany hoe: 3 Mihainoa; Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy; 4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany izany. 5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo, izay tsy nisy tany firy; dia nitsimoka avy hatrany izy, satria tsy nisy tany lalina. 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia may izy; ary satria tsy nanam-paka izy, dia maina. 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy nitombo izy, dia namoa: ny sasany telo-polo heny, ary ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny. 9 Ary hoy Izy taminy: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 10 Ary raha nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. 11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'izay any ivelany kosa dia fanoharana no anaovana izany rehetra izany; 12 mba hijery mandrakariva ihany izy, nefa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, nefa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony. 13 Ary hoy Izy taminy: Tsy fantatrareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? 14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny. 15 Ary ireto no ilay teny amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao am-pony. 16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay, rehefa mandre ny teny, dia mandray izany avy hatrany amin'ny hafaliana; 17 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo izay mandre ny teny,
2
19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filan'ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. 20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany telo-polo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.
Lioka 8:4-15 4 Ary raha niangona ny vahoaka betsaka, ka avy tamin'ny isan-tanàna no nanatona Azy, dia nanao fanoharana Izy hoe: 5Nivoaka hamafy ny voa ny mpamafy; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amorondalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina. 6 Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao nitsimoka izy, dia nalazo; satria tsy nisy mando. 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy ka nangeja azy. 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 9 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Inona no mety ho hevitr'izany fanoharana izany? 10 Ary hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary handre, fa tsy hahafantatra. 11 Koa izao no fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre; dia avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. 13 Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; ary ireo kosa tsy manam-paka, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra. 14 Ary ireo latsaka teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. 15 Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo marina sy tsara, dia mitana izany ka mamoa amin'ny faharetana.
3