Skip to main content

Malagasy - Parable of the Lost Sheep, the Lost Coin, and the Prodigal Son

Page 1

Ny Ondry Very, Ny Vola Madinika Very, ary Ny Zanaka Adala

Lioka 15:1-32 1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy. 2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. 3 Dia nilaza ity fanoharana ity taminy Izy ka nanao hoe: 4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny iray, no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5 Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony sady faly izy; 6 Ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Miaraha mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. 7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy mila mibebaka. 8 Ary iza moa no vehivavy manana farantsa volafotsy folo, ka very ny iray, no tsy mampirehitra jiro ka mamafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy? 9 Ary raha hitany iny, dia mamory ny sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely very. 10 Ary toy izany koa, lazaiko aminareo fa misy fifaliana eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka. 11 Ary hoy Izy: Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy. 12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Dada ô, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy roa lahy ny fananany. 13 Ary tsy ela taorian'izany dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany. 14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka dia nanomboka ho sahirana izy. 15 Dia lasa izy ka niray tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa izy. 16 Ary satriny ho voky ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.

1


17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary! 18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho 19 ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony aho; ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho. 20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy izy, ary onena azy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. 21 Ary hoy ilay zanany taminy: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony. 22 Fa hoy ny rainy tamin'ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kiraro ny tongony; 23 Ary ento aty ny zanak'omby matavy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; 24 Fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nanomboka nifaly izy ireo. 25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary raha nody izy ka nanakaiky ny trano, dia nandre zavamaneno sy dihy. 26 Ary niantso mpanompo iray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. 27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ary ny rainao efa namono ny zanak'omby matavy, satria efa tafaverina soa aman-tsara eto aminy izy. 28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; dia nivoaka rainy ka niangavy azy. 29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay no nanompoako anao ka tsy mbola nandika ny didinao akory aho; nefa tsy mbola nanome ahy zanak'osy akory ianao mba hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa raha vao tonga kosa ity zanakao ity, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. 31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao dia eto amiko mandrakariva, ary anao izay rehetra ananako. 32 Tokony hifaly sy hiravoravo isika; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.

2


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook