Ny famahanana ny olona 5000 Matio 14:13-21 13 Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any antany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia nanaraka Azy an-tongotra avy teny an-tanàna. 14 Ary nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny. 15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro; alefaso ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy. 16 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy. 17 Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay. 18 Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany. 19 Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary nalainy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianany, ary ny mpianatra kosa nanolotra izany ho an'ny vahoaka. 20 Ary nihinana avokoa izy rehetra ka voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nahafeno sobiky roa ambin'ny folo. 21 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Marka 6:30-44 30 Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny. 31 Ary hoy Izy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kely; fa maro no nifindrafindra toerana, ka tsy nisy fotoana hihinanana akory. 32 Dia niondrana an-tsambo kely izy ireo nankany amin'ny tany foana. 33 Ary ny olona nahita azy nandeha, ary maro no nahalala azy, dia nihazakazaka nandeha antongotra avy tamin'ny tanàna rehetra nankany izy, ka tonga talohany. 34 Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
1
35 Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro ankehitriny; 36 Alefaso izy ireo mba handehanany any an-tsaha sy any amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy ireo; fa tsy manan-kohanina izy ireo. 37 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Ary hoy izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay mitentina roanjato denaria va izahay ka homenay azy hohaniny? 38 Ary hoy Izy taminy: Firy ny mofo anananareo? Andeha, jereo. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa. 39 Ary Izy nandidy azy hampipetraka ny olona rehetra an-tokotokony eny ambonin'ny ahitra maitso. 40 Dia nipetraka nizara ho zato sy dimam-polo ny olona. 41 Ary rehefa nandray ny mofo dimy sy ny hazandrano roa Izy, dia niandrandra ny lanitra ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianany mba harosony eo anoloan'izy ireo; ary ny hazandrano roa kosa nozarainy tamin'izy rehetra. 42 Ary nihinana avokoa izy rehetra ka voky. 43 Ary nangoniny ny sombintsombiny sy ny hazandrano, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo. 44 Ary izay nihinana ny mofo dia tokony ho dimy arivo lahy.
Lioka 9:10-17 10 Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nilaza tamin'i Jesosy izay rehetra efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana tany amin'ny tany foana any an-tanàna atao hoe Betsaida. 11 Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny. 12 Ary rehefa nanomboka nihalalina ny andro, dia nanatona Azy ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Alefaso ny vahoaka mba hankanesany any amin'ny tanàna manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika. 13 Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho izany izahay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa, raha tsy hoe handeha hividy hanina ho an'ireto olona rehetra ireto izahay. 14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka mifanesy dimam-polo avy izy. 15 Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy. 16 Dia noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra azy, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony eo anoloan'ny vahoaka. 17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, dia roa ambin'ny folo sobiky.
Jaona 6:1-14 1 Rehefa afaka izany, dia lasa nita ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany. 2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, satria nahita ny fahagagana izay nataony tamin'ny marary izy. 3 Ary Jesosy niakatra teo an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany. 4 Ary efa akaiky ny Paska, izay andro firavoravoan'ny Jiosy. 5 Ary Jesosy, raha nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireto? 6 Ary izany no nolazainy mba hitsapana azy; fa Izy nahalala izay efa hataony. 7 Filipo namaly Azy hoe: Na mofo roanjato denaria aza tsy ampy ho an'izy rehetra hahazoany kely avy.
2
8 Ny iray tamin'ny mpianany, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe: 9 Misy zazalahy eto manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao? 10 Ary hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany. 11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary toy izany koa ny hazandrano araka izay nilainy. 12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very. 13 Dia nangoniny izany, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'izay nihinana. 14 Ary hoy ireo olona ireo, rehefa nahita ny fahagagana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.
3