Skip to main content

Malagasy - Courage Is Beautiful - Psalm 27

Page 1

BE HERIM-PO Boky Dimy Voalohany Ary ny tahotra sy ny horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny rehetra ireny dia izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny hazandrano rehetra any an-dranomasina; efa natolotra eo antananareo ireny. Genesisy 9:2 Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. Genesisy 15:1 Ary Andriamanitra nandre ny feon'ny zazalahy; dia niantso an'i Hagara avy tany an-danitra Ilay Anjelin'Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra; fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zazalahy eo amin'ny itoerany. Genesisy 21:17 Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko. Genesisy 26:24 Ary nony tamin'ny andro fahatelo, raha mbola narary mafy izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, rahalahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao. Genesisy 34:25 Ary hoy izy: Fiadanana anie ho anareo, aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; efa tonga tamiko ny volanareo. Dia nitondra an'i Simeona ho eo aminy izy. Genesisy 43:23 Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao; fa hataoko firenena lehibe any ianao. Genesisy 46:3 Dia hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho? Fa ianareo kosa nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, mba hanao araka ny amin'izao anio izao, mba hamonjena olona betsaka. Koa ankehitriny aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka taminy izy. Genesisy 50:19-21 Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Eksodosy 14:13


Turn static files into dynamic content formats.

Create a flipbook
Malagasy - Courage Is Beautiful - Psalm 27 by Filipino Tracts and Literature Society Inc. - Issuu